FREDY JAOFERA

Vice-Président de l'Union des Počtes et Ecrivains Malgaches section France

POETY MITOLONA !

Fredy JAOFERA niantsa ny tononkalony hoe : RY FIRENEKO nanoloana ny vahoaka tao amin'ny Stade de Moramanga tamin'ny 1991

SOA




Soa fa tao ny ranomaso
nanamboatra sy nanefy
ny ora maro be ankaso
ho hafaliana tsisy fefy !


 

Soa fa tao ny tebiteby
nanamafy sy nitondra
ny taona izay nandreby
tsy ho adala na apondra.


 

Soa fa tao ny rivo-doza
nandravarava sy nanitsy
ho metimety tsy hitavoza
sy ny ho olona mihitsy.


 

Soa fa tao ny fahoriana
nampahery sy nanampy
mbola hahazo fitahiana
nisinisy sy niantsampy.

 


 

Fredy JAOFERA


RA MANDRIAKA




Raha ilaintsika samy isika
ny handatsa-drā mandriaka
hampamokatra ny tolona
sy hampahery ny olona,
tsy maninona tsy akory
fa raketo sy izory !


 

Raha ilaintsika samy isika
ny handatsa-drā mandriaka
hampisondrotra ny Nosy
sy tsy ho voahosihosy,
mbola ekeko lalandava,
na ho fitondrana rava !


 

Raha ilaintsika samy isika
ny handatsa-drā mandriaka
tsy hitondra fiverenana
'zay lalām-panorenana,
ataovy fa iombonako
sy efa fahavononako.


 

Raha ilaintsika samy isika
ny handatsa-drā mandriaka
mbola hampiadana ny tany
tsy ho fahoriana sesilany,
ataovy fa tsy laviko,
ataovy fa tadiaviko !

 


 

Fredy JAOFERA


HAFAHAFA




Hafahafa amiko
fa tsy tena mamiko,
ra'efa olona nanozona
sy tia nanozongozona
'zay hahapotika ny fiainana
ary angamba ny fisainana
hilentika any an-davaka
no milaza fa hivavaka ! ĩ


 

Hafahafa loatra
matoa nampitraotra
ny foko manontolo !...
Fa hay dia vorondolo
tsy azo namaharana
na mety nanambarana
ny hery rehetra rehetra
raha nilofika, nitsetra !


 

Hafahafa ihany
ra'sendra be tomany,
fa ny niainana sy hita
dia izay tsy hahatafita
no efa tao an-tsainy
sy zavatra mba hainy.
Izay no tena niavaka
fa tsy izay mivavaka !

 


 

Fredy JAOFERA


NY HAFATRO




Mandehāna izy haingana ambarao,
mandehāna izy haingana mba lazao
fa any lavitra any sy izay aleha,
misy malala mbola tia, hono, hoe.


 

Mandehāna izy haingana mba jereo
ka hampiravoravoy raha be toreo,
tambatambazo raha be tomany,
tsy hampanjombona ahy hatrany.


 

Hafatrafaro azy fa tsy hadinoiko,
resadresaho azy fa mba tsaroako
'reo hirahira sy ilay fahiny
mametsovetso tsy misy tsiny.


 

Ampitapitao azy tsara indray
'lay mbola fitiavako azy izay,
ka teniteneno azy na im-polo
fa resaka ihany ny ho voasolo.


 

Ambarambarao azy f'ilay kamory
ka dia lany hira sy tonga ory ;
lazalazao azy fa mba mitoetra
ny momba azy rehetra rehetra.


 

Dia veloma, hono, raha manontany,
hoy ilay misento sy te hankany ;
Asaivo mitsiky raha mbola manina
fa hatraty avy no tsy hay tazanina.

 


 

Fredy JAOFERA


RY TENINDRAZAKO !




Raha tsy teo ianao, ry teniko,
dia tsy nahasoratra ny peniko
fa dia fitaovam-panoratana
tsy mba afa-nanandratana
ny fiteny malagasy
tao anaty taratasy.


 

Raha tsy teo ianao, ry teniko,
dia voatery hoe nafeniko
'reo karazan-kasambarana
rako-tsento sy fiakarana,
nanjary voatahiry
sy tsy fahita firy.


 

Raha tsy teo ianao, ry teniko,
tsy maintsy tonga neniko
nanambara tsy hita lany
tamin'ny teny hafa hatrany
ny vetsom-po rehetra,
mbola lafo sy mitoetra.


 

Fredy JAOFERA


NY MARINA TSY MBA MATY




Tsisy takona izay tsy ho hita
na miafina izay tsy hiseho,
ka asakasaka izay nahavita
sy sahy nampitondra toreo.


 

Tsisy takona izay tsy hipoitra
na marina izay tsy hitranga ;
ka lozan'izay tsy nitsotra,
rediredin'izay be kinanga.


 

Tsisy takona izay tsy hazava
na lova izay tsy ho fantatra ;
ka safidin'izay nahay vava,
lozan'izay efa voahafatra.


 

Tsisy takona izay tsy hifoha
na ratsy izay hoe tsy hihary ;
ka asakasaka izay nahavoa
na hagegen'izay nankarary.


 

Fredy JAOFERA

FANDRIKA




Fandrika fotsiny
nandrebirebena
ireo volo fotsiny
nampihenahena.


 

Fandrika tsara
nampisondriana
resaka amboara
be fitahiana.


 

Fandrika adala
namerimberenany
ho trano mijoala
'tony fonenany.


 

Fandrika foana
lazainy ho fitia,
mora mivaona
sy mampikodia.

 


 

Fredy JAOFERA


ONDRY BOTRY




Natositosika ny ondry botry
ka aza tezitra raha be akotry
'zay varinao manomboka eto,
f'izany no fiainana ka raketo !


 

Mahaiza mionona f'izay natao,
Hamotika ho azy ny fiainanao,
hikororoso tsy hita ambara
rehefa izay no hoe anjara.


 

Mahaiza mamindra fa ny vita,
avy handrava sy tsy hahatafita
ary haneso sy hampivoraka
rehefa ny ratsy no natoraka !


 

Mahaiza migoka fa ny Lasa
dia any ihany sy mbola miasa :
Mitondra alahelo toa hafahafa,
tsy nahatongavako hifampitafa.

 


 

Fredy JAOFERA


NY SOA ATAO : LEVENAM-BOLA ; NY RATSY ATAO : LOZA MIHANTONA




Raha misy mitady ny tena fiadanana,
Tsara dia tsara sy tokony hananana,
Tsarovy hatrany ny fanaovan-tsoa
fa vola milevina sy harena mifoha.


 

Ny soa izay atao dia haren-tsarobidy
Ka aza hadinoina fa tsara ho tadidy,
Mamy dia mamy raha hoe ifotorana,
Lālana mety matoa mbola izorana.


 

Ny soa izay atao dia toa diamondra
Ka ravaka lafo izay tsara fitondra,
Azo ifikirana no tsy mampikoro
Na aiza na aiza ary afa-mijoro...


 

Ny Ratsy kosa dia mody mampilenda
Fa mandravarava no tena mahakenda ;
Raha ohatra aza ka hoe tsy voaenjika,
Misy ny farany ka tsy maintsy rendrika.


 

Ny ratsy, re olona, dia mahavozavoza
Fa maha-be angano na mampidi-doza ;
Mahafanimpanina sy toa mahasolafaka
ary mainka ihany koa tsy mahafakafaka !


 

Raha misy mitady ny tena fiadanana,
Kanto dia kanto sy mendrika hananana,
tsarovy hatrany fa ny fanaovan-tsoa
No vola milevina sy hery tokoa.

 


 

Fredy JAOFERA


RANOMASINA




Ny ranomasina be midadasika
no mampitony ny foko marary,
ka ny eto amin'ity tora-pasika
no mizotra sy toa te haka sary.


 

Ny ranomasina be mangamanga
no mitondra ny saiko manjeny,
ka ny kintana maro mpitranga
no mitaratra ahy eny ho eny.


 

Ny ranomasina be tsy manonja
no mibitsika foana tsy ho ory,
ka mitarika hihira indray monja
'zao alina izao mba tsy hatory.


 

Ny ranomasina be rivodrivotra
no mitrotro ny ho avy rehetra,
ka hamafa na mbola handifotra
'Reo sento ary tsy misy fetra.


 

Fredy JAOFERA

NY RANOMASOKO




'Ty androko ve no fahavaratra
fa manorana ny aty avaratra,
manjombona ka aza igagāna
ra'ny maso no kotsa, mazāna ?


 

Ny fihavanana ve mbola hiverina
sa nofinofy ka tsy hanerinerina ?
'Tony ady ve mbola hitsahatra
sa izao no anjara sy lahatra ?


 

Nankaiza moa Ikaky sy Neny
fa ny saiko no lasa eny ho eny ?
Nahoana no tsy miara-matory
fa ny foko no ory dia ory ?

 

Mba inona izatsy voangivy,
mangidy no sady mahakivy ?
Nankaiza ny tsiambarateloko
fa iny no mbola alaheloko ?

 

Ny aliko izao no mangina,
ranomaso no mba mikoriana ;
tsy teliko loatra ny fiainana,
na misy aza itony itarainana !

 


 

Fredy JAOFERA
AMBOHIPANJA, alin'ny Alahady 10 Jolay 1983


TEO AM-PANDIHIZANTSIKA




Teo am-pandihizantsika,
nikalo lava toa mozika
ny foko saika niambatra
nahatsiaro tena sambatra.


 

Teo am-pandihizantsika,
nangina aho tsy nikiaka
nankafy ombieny ombieny
'zay tsy vitako amin-teny.


 

Teo am-pandihizantsika
hirahira tsy hay adika
no nanentana avy hatrany
hampandefa ny vinany.


 

Teo am-pandihizantsika,
ambarao fa nahasariaka
'lay fitiavanao tsaroako
namelombelona ny foko.

 


 

Fredy JAOFERA


NOFIKO ANGAMBA




Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manaja sy azo itokisana ;
nofiko angamba fa toa lavareny
ireo esoeso nataony hamokisana.


 

Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manoro sy azo amikirana ;
nofiko angamba fa teny ho eny
nolatsalatsaina ka nandosirana.


 

Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manova sy azo iresahana ;
nofiko angamba fa tsy voateny
ireo redirediny mila hibahana.


 

Nofiko angamba ny hanana reny
mahay manitsy sy azo idongiana ;
nofiko angamba fa nohosihoseny
ireo voninahitra sy fifaliana.


 

Fredy JAOFERA


ELISE




Ny masonao mikimpy
amin'izato vatam-paty,
mafy ihany vao natsipy
'reto toky 'zay poak'aty.


 

Ny endrikao matory
amin'ny hoe fitaratra,
toa zary nampahory
sy feno oram-baratra !


 

Ny vatanao mitsotra,
tsy azo kotabaisina,
Toa mampipololotra
ny nahitana faisana.


 

Ny anaranao tsy foiko
sy srobidy ombieny
no mbola nantsotsoiko
raha kivy foana teny !


 

Fredy JAOFERA


HATRIZAY




Hatrizay aho nikofoka
hahazo fahasambarana,
kanefa mila ho tofoka
fa toa tsisy fitsaharana
ny mahazo ny vahoaka
sy midona foana hatrany,
ka tonga nampipoaka
alahelo tany ho any.

 

 


 

Hatrizay aho nifofotra
hitondra anjara biriky,
fa saika ho nidofotra
sy nanjary tsy nitsiky
vao indro hoe sahirana
'ty Nosy izay kaloiko ;
vao indro hoe tsy mirana
ny Gasy izay tsy foiko !

 


 

Fredy JAOFERA


MALAGASY FIRY ?




Malagasy firy
no mitady sy maniry
hanam-piainan-tsambatra
amin'ny fo tsy miangatra ?


 

Malagasy firy
no milofo sy mikiry
ny ho voky sesehena
sy ny hoe : hanan-karena ?


 

Malagasy firy
no mihafy sy miziry
mba tsy hisy hiasa maina
na ho resy tsy hay lazaina ?


 

Malagasy firy
no be nofy makadiry
ny higoka fahafahana,
na any anaty fivavahana ?...


 

Kanefa ange topazo
fa mihabe mpahazo
sy mampihanahana
izato fahantrana.


 

Kanefa ange jereo
fa maro no efa leo
fampandriana adrisa
tsy ary voatanisa.


 

Kanefa ange diniho
ny omaly sy ny anio
fa miroto lalandava
sy mila tsy hazava.


 

Kanefa ange tsarovy
fa saika toa mitovy
isan'andro vaky izao
ny dinitra ho anao.

 


 

Fredy JAOFERA


AMBANIVOHITRA




Mamiko loatra ny ambanivohitra
fa mahavelom-bolo sy hahenoina
ny vorona maro sy ireo sorohitra
misidintsidina sy azo antsoina.


 

Ny omby mitrena sy ireo kisoa,
toa manaitaitra no ahafantarana
fa milamindamina sy tsara koa
ny toerana hita mety itsaharana.


 

Ny akoho rehetra sy 'reny gisa
miampy ny dokotra sy ny akanga,
mandeha eny ary tsy voatanisa,
mitondra hafaliana toa miranga.


 

'Reo lehilahy mitondra angady,
'reo vehivavy miloloha sobika,
vonona foana ny mbola hitady
ny ho hanina lava ra'azo adika.


 

'Reo tovolahy milalao tandrimo
na ny tovovavy sy dihim-bazaha,
toa sambatra ery no tsy tia mirimo
raha lazalazaina sy indray mizaha.


 

'Reo ankizy kely mangala-goavy,
'reo sasantsasany mangala-paiso ;
misesika foana ary tsy manavy
fa sainy ombieny ny hoe : raiso.


 

'Lay renirano mamirapiratra,
misosa mora ary tsy hita aiza,
manainga eto no mampahiratra
'zao vetsovetso izay mba nitaiza.


 

Tahaka izany no ambanivohitra,
mampahazo aina sy efa ananana,
feno havoana sy tendrombohitra
ary azo ambara hoe : Fiadanana.

 


 

Fredy JAOFERA


NY RENY




Ny reny no silak'Andriananahary
natao hamololona ny tany rehetra ;
manam-pitiavana no voabaribary
fa mamy tokoa ary tsy misy fetra.


 

Ny reny no ananganana tranomanara,
tsy ilaina hoderaina fa atao ao am-po ;
Mahalala mizaka no mbola voambara
ho azo itarainana raha misy manjo.


 

Ny reny no natao mpamafy ny vary
ho tena masoandro feno hafaliana ;
kanefa matetika fa ny tsiparifary
no tena jinjainy ao anaty mangina.


 

Ny reny no fanome valim-bavaka
handrakotra mora ny lanitra soa ;
na lasan-ko vovoka, hitanao miavaka
ho lafo dia lafo no tsy hisy indroa !


 

Fredy JAOFERA


FODY




Fody maromaro raha vao maraina
no misiotsioka sy tia manaitra
ny nofo matory mbola malaina
hiatrika adidy toa tsy raitra.


 

Fody maromaro raha vao maraina
no mifanenjika sy mahay mivazo
eny amin'ny rehetra izay lazaina
be bozabozaka sy voninkazo !


 

Fody maromaro raha vao maraina
no misidintsidina sy toa miserana,
mikalokalo tsy mahay mangaina,
mamelombelona tsy azo ferana !


 

Fody maromaro raha vao maraina
miriotra miakatra ny habakabaka,
miara-midola sy toa mahazo aina,
manetsika lava ny hivavabavaka.

 


 

Fredy JAOFERA


29 MARSA 1947




Fantatrareo moa ity zava-nitranga
nampahonena izay tao Moramanga,
nataon'ny mpanjanaka sady nibahana
an'ireo Malagasy nitady fahafahana ?


 

Fantatrareo ve fa andao tantaraina
ny ady nipoaka nahakivy ny saina ;
ny rā nikoriana toa eran'ny Nosy
naha-voazanaka sy tena voahosy ?


 

'Reny tafondro toa nampihorohoro,
niampy ny basy nahay nampikoro
no re isan'andro sy isa-minitra
ka faty daholo no hita nitsitra !


 

'Reny nandohalika maro dia maro,
resy sy lanaka fa hoe mbola niaro
'ty tanindrazana haren-tsarobidy,
nampigadraina hitondra mangidy.


 

'Reny nikiaka niantso vonjeo,
nandrakotra hatrany ny efa toreo,
kely finoana an'izay mba niriny
rehefa nanao izay mba tsy tiany !


 

'Reny voalefona tsisy nandrasana,
tonga nanjary nameno ny fasana,
nampitomany an'izay velon'aina,
na aiza na aiza no mba tanisaina...


 

Izany sy izany no atao hoe tantara
ka nampahoriana an'ilay Gasikara,
nidradradradrana fahaleovantena
ho antsika rehetra izay nanantena.


 

Fredy JAOFERA


HATRAMIN'IZAY NIARAHANA




Hatramin'izay niarahana
dia ny niainana sahady
sy ny hita hoe nibahana
dia niova aho no sady...


 

Hatramin'izay niarahana,
ny foko aman-panahy,
tsy hita hoe navahana
fa ravo mba sy sahy.


 

Hatramin'izay niarahana
ny hambo sy fandavana,
nireda vao nahasahana
ny toky sy fitiavana.


 

Hatramin'izay niarahana,
mba nihanitombo izany
sy mainka nahazo vahana
ny mamintsika hatrany.


 

Hatramin'izay niarahana,
na ny hery sy finoako
sy izay hany fivavahana,
nihamafy tato am-poko.


 

Hatramin'izay niarahana,
na ny fiainana rehetra
tsaroana nahapahana,
toa foana tsisy fetra.


 

Hatramin'izay niarahana,
ny mivelona ato anaty
sy nataoko fangatahana
dia ianao sy 'reny daty.

 


 

Fredy JAOFERA


TENY ROA




Teny roa dia efa ampy
ilazako ny ato anaty ;
teny roa no vatolampy,
tsy voazera mandramaty.


 

Teny roa dia efa afaka
manambara ny ato am-poko ;
teny roa no tena miavaka,
mbola meva sy miloko.


 

Ny voalohany dia ny "TIAKO",
ny faharoa dia ny hoe "IANAO",
ka ny hany mbola iriko,
ny fitambarany eto izao.


 

Mba tia anao ny tena
ka tsy mahafoy hatrany ;
ianao no mbola harena,
tsy voasoloko eto an-tany.


 

Teny roa...Tsy mihoatra !
No mbola sarotra kosehina ;
teny roa no mamy loatra,
tsy hay akoro na potehina.


 

Fredy JAOFERA


RAHATRIZAY




Rehefa tonga ilay fotoana
ka mba handaozako ny tany
dia tandremo sao misaona,
na halahelo sy hitomany.


 

Rehefa tonga ilay minitra
ka hikimpiako ho doria
dia raketo fa tsy ho ritra
ny ao am-poko mbola tia.


 

Rehefa tonga ilay anjara
ka hampisaraka amin'izay
dia mionona fa tsy tsara
ny hisento toa tsy hay.


 

Rehefa tonga, ry Malala,
aza atao izay hankarary,
fa ny foko tsy mba hiala
no efa tendrin-Janahary.


 

Fredy JAOFERA


AO




Ao mitady fahoriana,
ao mitady fiadanana ;
ao no mahazo fijaliana,
ao no mahazo fihavanana.

Ao mitady fandravana,
ao mitady fanorenana ;
ao no very mihanahana,
ao no ravo be fonenana.

Ao mitady herisetra,
ao mitady zava-tsoa ;
ao no ory tsisy fetra,
ao no tretrika tokoa.

Ao mitady ranomaso,
ao mitady fahendrena ;
ao no lavo be ankaso,
ao no mahazo fandresena.


 

Fredy JAOFERA


MALAHELO AHO




Malomaloka ny ety Ambohipanja
ka tsy vita izay tokony hatao ;
ny fiainako no tsy ampy lanja
fa 'zany foko no lavitra anao.


 

'Reo andro mikotroka lava,
mangeja no sady misaona ;
ny foko tsy mahita mazava,
maniry na te ho any foana.


 

'Reo vorona mody miery,
mihira no mba mikorana ;
f'izaho no singany irery,
fa tsy eo ianao manafana.


 

Tomany no latsaka ho azy
indray, indroa, intelo !
tsy laingako na vazivazy
fa ny fo no mba malahelo.

 


 

Fredy JAOFERA


RY FIRENEKO !




Tiako ho anao, ry fireneko,
no handatsahako ny aiko ;
fa efa tanjona kendreko
ny hanondrotra fa baiko.


 

Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hisian'ny fanambinana ;
fa fanariana mbola ekeko
ny hanjakan'ny filaminana.


 

Tiako ho anao, ry fireneko,
'reo rehetra ka haravoana
mbola ho hery na ho seko
rehefa tanim-pandrosoana !


 

Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hasambarana katsahiko ;
fa ianao no mbola hareko
tena hampitony ny fanahiko.

 


 

Fredy JAOFERA

 

KODIARAN-TSARETY

KODIARAN-TSARETY






 

Kodiaran-tsarety
ny fiainana an-tany,
ka manao ny mety
no tsara aok'izany.


Kodiaran-tsarety
ny zava-drehetra,
ka izay mifetifety
dia mbola hitsetra.


Kodiaran-tsarety
ny soa sy ny ratsy,
ka izay mbola tanety
ho ala atsy ho atsy.


Kodiaran-tsarety
ny lālan-kombāna,
k'andraso vetivety
fa mbola higagāna.

 


Fredy JAOFERA

BETSAKA

            BETSAKA




 

Betsaka ny zavatra tiako ravana
hivalona hatreo,
kanefa tsarovy fa tsy mety fafana,
mitondra toreo.


Betsaka ny zavatra tiako saronana
hanova ny ho avy,
kanefa tsarovy fa tsy mety takonana
'zay nampanavy.


Betsaka ny zavatra tiako andosirana
hihataka foana,
kanefa tsarovy fa tsy mety mahamirana
'zay manoloana.


Betsaka ny zavatra tiako hadinoina
hilevina hatrany,
kanefa tsarovy fa tsy mety vonoina,
mamoaka tomany.

 


Fredy JAOFERA


 

NY EO AMIN'I DADA SY NENY

NY EO AMIN'I DADA SY NENY




Ny eo amin'i Dada sy Neny
raha lazalazaina ny habeny,
raha fotopotorana ny lanjany
sy resadresahina ny tanjany :
sekolin'ny soa sy ny tsara
hahamiratra foana ny anjara.


Ny eo amin'i Dada sy Neny
raha tantaraina ny hareny,
raha eritreretina ny vitany
sy voavisavisa ny hitany :
mbola hasambarana marina,
tsy hain'ny na iza takarina.


Ny eo amin'i Dada sy Neny
raha averimberiko ombieny,
dinihina ambony sy ambany
sy hafatrafarako hatrany :
Fiomanan'ny ho avy rehetra
ho lavitry ny sento sy tsetra.


Ka na rahoviana miteny,
mbola omeo haja izy ireny,
omeo tambitamby mangina,
omeo izay mety hafaliana,
isaory ny Tompo isan'andro
fa mbola mana-masoandro.


Ary rehefa mba hary elatra,
nikopaka sy toa nivelatra,
ka nahazo ny toerana avo,
tsara sy mbola maharavo :
isaory i Dada sy Neny,
Tiavo foana ombieny.

 


Fredy JAOFERA


TAIZA IANAO ?

TAIZA IANAO ?




Taiza ianao fony tsy nanan-kifikirana
ny saiko nisavoro ?
Taiza ianao fony tsaroako nanahirana
ny aloka nijoro ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kianteherana
ny foko nanjoretra ?
Taiza ianao fony nitombo sy tsy ferana
ny ora nampitsetra ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kantenaina
ny toky nifotorana ?
Taiza ianao fony saika very maina
ny fenitra nizorana ?


Taiza ianao fony tsy nanan-kitokisana
ny raoziko nitia ?
Taiza ianao fony tsy nanam-pahamafisana
ny heriko malia ?

 


Fredy JAOFERA


 

ISAN'ANDRO




Isan'andro aho mahare feo
mitaditady sy mahamirana,
miantsoantso sady avy eo
mihirahira an-kodimirana.


 

Isan'andro aho mahare ako
miverimberina tsy miato,
manaitaitra ary zary bako,
mpanavatsava tato ho ato.


 

Isan'andro aho mahare vazo
manelingelina ahy matory,
mitaraindraina no tsy azo
ampanginina eto akory.


 

Isan'andro aho mahare eto
sentosento tsy hay ambara
te handeha ary mba raketo
fa mahory no tsy tsara.


 

Isan'andro aho mahare any
bitsibitsika hafa ombieny,
manadala ary manontany
aiza ho aiza ity mankeny ?


 

Fredy JAOFERA