FREDY JAOFERA

Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France

30 AVRILY 2005

 

Lahateny nataon'i F-X Mahah

 filohan'ny Havatsa-Upem sampana Frantsa tamin'ny 30 aprily 2005-05-04 tao amin'ny efitranon-danonana FIAP.


Raisiko ho voninahitra, Tompokolahy, Raisiko ho haja, Tompokovavy, ny fahazoako mitsangana eto anatrehanareo androany ka hisolo teny ireo namana mpikambanana nanorina ny UPEM-HAVATSA sampana eto Frantsa. Miala tsiny aho fa tsy havanana amin'ny kabary ary toa tsy natao ho amin'izany mihitsy. Koa ialako tsiny sahady raha misy teny voatsongo, raha misy vava diso. Betsaka ny tokony ho eto amin'ny toerako eto kanefa teren'ny adidy nankinin'ny mpikambana tamiko aho ka mitsanga-menatra eto anoloanareo. Andro iray toa zato ho anay ity andro ity. Koa ny teniko voalohany dia ny fisaorana.
Misaotra anareo tonga tsy nijery andro hariva fa namela izay adidy miandry mba hiara-mizara ity fotoana sarobidy ho anay ity. Porofo izany ary fanehoana ny fitiavana sy fankasitrahanareo ny haisoratra sy ny fomba malagasy.Isaorako indrindra manokana eto Ramatoa Yvettes Ranjeva-Rabetafika Masoivohom-pirenena Malagasy ao amin'ny UNESCO izay raha natonina dia naneho tsy nisy fisalasalana ny fankatoavany ny fitsangananan'ny fikambana ary nanome toky nivantana fa hanampy amin'izay azony atao ny amin'ny fampiroborobona azy. Fantatra ny asa aman'andraikitra nankinin'ny Firenena aminy kanefa dia nanombinany ny fotoanany hiaraha-mifaly eto amin'ity takariva ity. Sitraka sy telina tokoa Tompoko ny mahita anao mijoro eto anivonay ankehitriny koa ny hany teniko dia ny mirary anao ho ela fanapahana eo amin'ny toerana nitondran'ny Firenena Malagasy anao.

Tsy ho hadinoko koa ny misaotra an'Atoa Rahaingoson Henri filohan'ny UPEM-Havatsa avy any Madagasikara nitety ny bonga, nandingana ranomasina hanome haja sy lanja ity takariva sarobidy ho an-ny tsirairay aminay ity. Tsy ny filoha ihany no arahabaiko eto fa ny sakaiza tiana ary ny mpanoratra nahavokatra sy efa namela ny ho tahafin'ny tanora voatavo tsy mifandraka. Isaorako koa ny namana mpikambana ao amin'ny UPEM-Havatsa miaraka aminy izay tsy nahalala tany lavitra fa nirodorodo namaly ny fanasana ary tsy nitondra tanam-polo fa nivimbina vaovao hiaraha-mizara.

Tsy ho ampy ny fotoana raha ho tononiko eto avokoa ny tsirairay aminareo fa hataoko bango tokana ny fisaorana ka ny arahaba vokatry ny fo sy ny tonga soa ho anareo rehetra hiara-mizara aminay ity takariva andro iray toa zato ho an'ny Fitenindrazana iombonana ity no atolotro anareo rehetra.

Efa nolazalazaiko tamin'ny teny fohy teo ny antony ivoriantsika androany, kanefa dia hiverenako vetivety. Eny marina fa efa miroborobo any an-Tanindrazana ny fikambanana UPEM-Havatsa efa hazo nitondra voa tokoa kanefa ny maha lafo vidy ity fotoana ihaonantsika ity dia ity fikambanana ity no voalohany hitondra sy antenaina fa hampamirapiratra ny haisoratra sy ny teny malagasy aty am-pita aty. Ny tarigetran'ny fikambanana dia ny hampiely sy hampiroborobo ny haisoratra malagasy eran'ny firenena rehetra fa tsy hihiboka ao amin'io Nosy nitrebohany io ihany. Amin'izao fotoana mampivelatra ny fifandraisana eran-tany izao dia rariny sy hitsiny raha mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny haisoratra eran-tany ny mpanoratra malagasy ka hitondra ny anjara birikiny. Dia io no nanakarana ny fototra nijoroan'ny fikambanana hiaro, hampiroborobo ary hanaparitaka ny teny sy fomba malagasy. Hampahafantatra ny sangan'asa mendrika ho fantatra, tsy any Madagasikara ihany, fa aty ivelany koa.

Rehefa izany tsy ho lava resaka intsony aho fa ataoko tono vomangan'Ikiriajavola ka ny voamasony no ho potsiriko. Ka ho fintiniko ny fomba nitsanganan'ity fikambanana UPEM Havatsa Sampana Frantsa ity. Tamin'ny faramparan'ny taona 2004 dia tafavory rehefa nifanakalo hevitra elaela ihany tamin'ny alalan'ny "internet" ny mpanoratra vitsivitsy eto Frantsa. Dia niara-nanapaka hevitra fa hanangana ny sampana araka ny fanirian'ny mpitondra tany an-tanindrazana. Dia nofidina ny toerana asiana ny foibe, ireo handray andraikitra mivantana amin'ny fitondrana ny sampana, nodinihina ny fepetra ho arahin'ny fikambanana ary natao izay hampiray loko azy amin'ny tanjona efa nofinetran'ny Reny-fikambanana any Madagasikara. Notapahina ny latsak'emboka ho enti-mamelona ny fikambana. Folo mianadaly izahay no tafavory tamin'io fihaonana voalohany io. Tsy be izany angamba kanefa aoka ho tsahivintsika koa fa 15 no isan'ireo namorona ny UPEM-Havatsa tamin'ny taona 1952 kanefa dia hitantsika ankehitriny ny firoborobon'ny fikambanana fa raha tsy diso ny marika nomena ahy dia efa mahatratra an-jatony ny mpikambana any ankehitriny.

Hiangaviantsika izy ireo mba hiakaratra tsirairay ho fantatrareo.

Ny filoha lefitry ny fikambanana : Rakotomalala Eric mitondra ny solon'anarana Fredy Jaofera.

Ny Sekretera jeneraly : Hanitra Salomon Andriamasinony na Hanitr'Ony

Ny mpitan-tsoratra : Razakandrainibe Fabien Gaston na Ny Kanto

Ny mpitahiry vola : Andrianaivomanjato Miora Lala na Andamioly

Ny mpanolontsaina : Rabe Andriamanarivo Paoly na DadaRabe
Randrianaivosoa Aina na Aina
Toetra Raja
Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine
Andrianantoanina Salomon na Andry
Salomon

Ary ny tenako no nofinidin-dry zareo ho filoha Razafimahatratra François-Xavier na F-X Mahah. Tsy mihambahamba aho milaza eto fa tena fahafinaretana ho ahy tokoa ny nahita ny fahazotoan'ireo tanora ireo teo am-pamolavolana ny drafitra sy ny fepetra hametra ny fikambanana ary indrindra tamin'ny fanomanana ity takariva ity. Ka aza omen-tsiny aho raha
manentitrentitra sy maneho etoana ny fisaorako eram-po eran-tsaina azy ireo manokana fa tsy efa ity fihaonana ity raha tsy teo ny fikirizany tsirairay avy.

Manodidina ny asan'ireo mpamorona folo ireo no nanomanana ity takariva ity. Kanefa dia tiako koa ny milaza eto ny fanirianay hanao izay tsy hahatapaka ny fifandraisantsika rehetra eo amin'ny sehatry ny haisoratra. Noho izany dia mikasa hamoaka amboara sy revio ahazoantsika mifandray ny fikambanana ary nandrary tranon-kala afahantsika mikaon-doha amin'ny fandalinana ny teny sy ny fomba malagasy satria amiko dia tsy natao ho renty isalorana amin'ny andro iray monja ihany toy izao ny teny malagasy fa natao ho enti-miaina eo amin'ny fiainana isan'andro. Ho hitanareo sahady eto ary azonareo vidina 10 euros ny "Santa-bokatra", santa-bokatr'ireo mpanoratra sy poety vitsivitsy niara-nanorina ny fikambanan'ny UPEM-Havatsa eto Frantsa io atolotra anareo io. Santatra tokoa ary mety hisy mbola tsy tena masaka tsara kanefa dia ataovy voankazo an'ala ka ny mamy atelemo ary ny mangidy aloavy. Takelaka vitsy nofinidin'ny tsirairay izay noheveriny fa mirakitra ny maha-izy azy sy indrindra maneho ny fitiavany ny teny malagasy.

Santatra tokoa izy io fa ny mita-be mbola hiroso satria efa misimisy ihany ireo mpanoratra izay nifandray taminay fa te-hirotsaka hanatevina ny fikambanana. Isaorako eto manokana koa izy ireo fa ny tao trano tsy efan'ny irery.

Amin'ity takariva ity dia ny asa soratra amin'ny teny malagasy ihany no nofantenanay mba hanentitrenterana ny firaiketana amin'ny teny malagasy. Izany akory tsy milaza fa izay manoratra amin'ny teny malagasy ihany no ho raisina ao amin'ny fikambanana fa izay rehetra manoratra ka maneho ny fomba amam-panao malagasy na teny inona na teny inona no entiny milaza izany.

Andro natao hifaliana androany kanefa dia ho meloka aho raha tsy manonona eto ny anaran'ireo nafointsika tato ho ato dia Ener Lalande sy Jacques Rabemananjara. Folak'andry niankinana ary toro vato nandiavana tokoa tsy ny fianakaviany ihany, trano nivoahany, fa ny mpanoratra sy ny Firenena malagasy mitambatra. Ny nofony no napetraka an-tany fa ny asa navelany tsy ho hadino fa ary araka ny fitenenana hoe raha mbola misy olona iray mahatsiaro dia tsy maty tanteraka ny maty. Ny maty dia izay tsy manam-pahatsiaro. Maty toy ny tantely namela mamy izy ireo ka fomba ahoana moa no hanadinoantsika azy ? Ny sangan'asa navelany hamelom-bolo hatrany ny lanitry ny haisoratra malagasy ary ho lovan'ny taranaka mandimby. Tafiditra ao amin'ny andraikitra noraisin'ny fikambanana ny fampahafatarana ireo
mpanoratra zokiny ary ho ezahina hatrany ny fanaovana izany.

Faranako eto ny teniko fa omeko an'Andriamatoa Henri Rahaingoson ny fitenenana hanazavany fohifohy amintsika ny momba ny fikambanana UPEM-Havatsa any Madagasikara izay loharano nipoiran'ny sampana eto Parisy. Andriamatoa Rahaigoson dia tsy zoviana amin'ny maro amintsika intsony fa tsy filohan'ny fikambanana ihany izy fa mpanoratra efa fantatry ny malagasy maro mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy koa izy ary matetika no voatondro hisolo tena an'i Madagasikara aty ivelany rehefa misy fandalinana momba ny teny toy izao vao niverenanany avy any Afrique du Sud izao.

Dia mirary fahafinaretana ho anareo rehetra ny tenako.

F-X Mahah

SOIREE POETIQUE

Une soirée poétique de l'Upem, à Paris, met en relief la beauté de la langue malgache

samedi 7 mai 2005

Une soirée poétique de l'Upem, à Paris, met en relief la beauté de la langue malgache

 Une soirée poétique, entre Malgaches et en malgache, a été organisée le 30 avril, au FIAP, à Paris, par l'Union des poètes et écrivains de Madagascar (Upem).     Sous le haut patronage et en présence de l'ambassadeur de Madagascar auprès de l'Unesco, Yvette Ranjeva-Rabetafika, en présence également du président de l'Upem, Henri Rahaingoson, dix poètes établis en France ont donné officiellement naissance au Sampana-Frantsa de Upem-Havatsa.   Il s'agit, pour les femmes, de Hanitr'Ony (Salomon Andriamasinony), Andamioly (Andrianaivomanjato), Aina (Randrianavosoa Aina), Rajaonarivelo Lalatiana, et pour les hommes de F-X. Mahah (Razafimahatratra François-Xavier), Fredy Jaofera (Rakotomalala Eric), Dadarabe (Rabe Andriamanarivo), Ny Kanto (Razakandrainibe Fabien), Toetra Raja (Rajaonarivony), Andry Salomon (Salomon).   Tous résident en France, parlent français toute la journée, mais veulent rester attachés à ce qu'ils nomment leur « héritage des Ancêtres », la langue malgache qu'ils savent à merveille faire chanter.   Après les kabary d'usage, tous ont dit leurs poèmes ou ceux des autres dans une ambiance douce sur fond de guitare ou de valiha. Les thèmes successifs sur lesquels tous ont écrit sont l'amour de la langue, du pays, de la famille, enfin l'amour du couple, l'espérance qui en naît. Des chants (Sorajavona, Dadarabe) ponctuaient le programme.   Remarquons l'unité entre les poètes, de ton, de thème, d'objectifs. On est dans l'émotion de l'intime, dans la quête, la célébration des valeurs, dans l'encouragement des exilés parfois tiraillés entre deux cultures. Les mots s'égrènent dans la douceur ou la conviction, jamais dans la colère ni la contestation. Le groupe laisse un premier recueil collectif pour prolonger la soirée : Santa-bokatra.   Reste à leur souhaiter de trouver des oreilles attentives et à les remercier de promouvoir ainsi la langue malgache en offrant des « pauses émotionnelles » loin de la Terre aimée et au cœur d'une société occidentale qui déchire l'individu.     LE SALON DU LIVRE AFRICAIN   Le même jour, à quelques rues de là, au siège de l'Unesco, autre ambiance. Foule africaine autour de nombreux stands, danseurs torse nu et tambours, tableaux, livres, bandes dessinées, revues, sites internet, TV5, auteurs et critiques littéraires célèbres, buffet pour le Salon du Livre africain du samedi. Un vrai succès.   Succès que l'on doit à une équipe d'une quinzaine d'étudiants (dont plusieurs métis) en dernière année de l'Institut d'études politiques de Paris (Sciences-Po) qui montait là son projet de fin de cycle. Forts du soutien d'institutions francophones et malgré leur méconnaissance (avouée) en la matière, ces jeunes ont vu grand et ont eu raison : on se pressait dans les halls immenses et l'imposante salle de conférence était presque remplie pour la cérémonie de remise des prix en fin de journée.   Comme dans tous les salons, on achète certes, et il y avait un choix de livres pour enfants, adultes, édités à Paris (Sépia, Présence africaine, Acoria, Homnisphères, L'arbre à palabres, L'Harmattan, Pyramides…) et au Cameroun (Ndze), mais on questionne, on découvre, on noue des contacts pour des projets ultérieurs, on s'interpelle, les enfants s'initient à la bande dessinée. Car en parallèle des expositions, les curieux ont entendu des griots, entamé des débats avec des auteurs (citons, antre autres, Véronique Tadjo, Calixthe Beyala, Suzanne Gracius, Bienvenu Sene), écouté des conférences et des tables rondes sur les sujets communs à tous : « 50 ans de littérature africaine : quelle contribution à la diversité culturelle ? », « Le rôle du livre dans la société africaine », « Quelles langues pour quelles littératures ? », « Ecrivains du continent et de la diaspora : identité ou divergences ? ».   Il faut relever la qualité des intervenants, tous africains (sauf le professeur Chevrier, spécialiste le plus connu en France de littérature africaine), chercheurs, auteurs, enseignants, traducteurs, et tous concernés dans leur chair par ces questions brûlantes.   Le jury du concours « Jeunes auteurs d'Afrique », présidé par l'auteur congolais Alain Mabanckou, a remis le 1er prix, doté de 3 000 euros, à un romancier togolais signant Edem pour son roman Port-Mélo. Le récit décrit l'atmosphère étouffante et inquiétante d'un port d'un « pays-relique » africain dans les eaux duquel flottent chaque jour des corps et qu'arpente une terrifiante milice dans un « panier à salades ».   Le deuxième prix (2.000 euros) a récompensé Christophe Battitoula (Congo) pour son recueil de poésie Grain de paix, grain d'amour et le troisième prix (1 000 euros) Mach Hould Koutou (Bénin) pour la nouvelle Le joueur de ludo.   Ce Salon animé avait aussi mobilisé les médias africains de la région parisienne (radio, sites internet) ce qui explique que le public était surtout originaire du continent honoré. Ce fut une occasion de faire le point sur une production littéraire en plein essor, les maisons d'édition s'intéressant à l'Afrique étant de plus en plus nombreuses, le lectorat se développe, les médias abolissent les distances. Mais il y a encore du chemin à parcourir pour sortir les écrivains noirs des collections dites spécialisées, qui les enferment dans leur identité, pour abaisser le coût des livres en Afrique, pour faire lire, en français et dans les langues africaines.   Hélas, l'hommage à Jacques Rabemananjara, le compagnon des fondateurs de la Négritude il y a 50 ans, prévu pour la cérémonie de clôture, fut escamoté.   Mais il faut se réjouir que ce soit des jeunes qui prennent de telles initiatives pour sortir de la morosité et révèlent ainsi les nouvelles plumes. Il y a des talents pour dire le monde tel qu'il va et magnifiquement, même quand c'est pour dire la douleur.  

Dominique Ranaivoson
Reims
Les Nouvelles du Samedi 7 Mai 2005  


ADIRESY E-MAIL

UPEM-HAVATSA Sampana Frantsa
Union des Poètes et Ecrivains Malagasy aty FRANTSA
2 rue Mozart 92220 BAGNEUX
havatsa_upem@yahoo.fr

Miely eran'ny faritra maro eto Frantsa ny mpikambana.



Fredy JAOFERA :
RAKOTOMALALA Eric Fredy Jaofera
fredy.jaofera@voila.fr


Ny Kanto :
RAZAKANDRAINIBE Fabien Gaston
fgrazaka@snv.jussieu.fr


Andamioly :
ANDRIANAIVOMANJATO Miora Lala
andamioly@yahoo.fr


AINA :
RANDRIANAIVOSOA Aina
ainarandrianaivosoa@yahoo.fr


Lalatiana :
RAJAONARIVELO Sandrine Lalatiana
afatro@yahoo.fr


Lalaina :
RAZAFIMANDIMBY Lalaina
lal-aina@caramail.com


Antsiva :
RAHARIJAONA Marie-Angèle
i_vetso@yahoo.fr


Andry Salomon :
SALOMON Andrianantoanina Christian
randriamalagasy@yahoo.fr


Toetra RAJA :
RAJAONARIVONY Toetra
toetra@lexpress.net


Ndremahery RAZAFINDRATSIMA :
Razafygg@gasigasy.org

Bana Rahalahy :
Jean Marline
jean.marline@free.fr


DadaRabe :
RABE Andriamanarivo Paoly
dadarabe@aol.com


Abel Andriarimalala :
ANDRIARIMALALA Abel
andriarimalalaabel@yahoo.fr


Hanitr'Ony :
SALOMON Andriamasinony Josiane
onimanitra@yahoo.fr

F-X Mahah
RAZAFIMAHATRATRA François-Xavier :
fxrazaf@mageos.com

HAVATSA-UPEM

Association
 
:: Havatsa - Upem

Mise en place de la section en France


      C’est lors de l’événement ”Parfum de Madagascar” que Rahaingoson Henri alias ”Di” a effectué la mise en place et la présentation officielle de la section en France de l’association ”Havatsa-Upem” ou Union des poètes et écrivains malgaches. Une réunion a eu lieu, hier après-midi à l’Espace Rarihasina, pour faire connaître les membres de l’Havatsa-Upem-France. Mais historique d’abord.
    Upem puis Havatsa
    L’ Upem est née le 6 Septembre 1952 grâce à l’initiative de 15 poètes et écrivains malgaches qui sont : Régis Rajemisa Raolison, Elie Charles Abraham, Daud Ratsarazaka, Nivo-Hary, Flavien Ranaivo, Jean Verdi Salomon Razakandraina alias Dox, Ener Lalandy (qui vient juste de nous quitter), Pénombre Andriampenomanana, Jean Louis Razafindratre, Odeam Rakoto, Pierre Janvier Abraham, Michel Guste Rakotonirina, Raymond Abraham, Raharison Faustin, Michel Paul Abraham (seul survivant). Cette union a été révélée par l’amour commun de la langue malgache. Il s’agit de lui rendre sa dignité, pour et par une éducation de l’être et de l’âme. Ce qui ne saurait être possible qu’à travers la littérature. Conférences, montages poétiques, émissions radiophoniques, expositions littéraires, visites sous forme de conférence-débat dans les écoles par des écrivains et poètes illustres font partie intégrante du programme de l’Upem, ainsi que les communications permanentes au niveau de l’Académie Malgache. Le terme “Havatsa”, associé à l’ Upem depuis le quarante-cinquième anniversaire de l’association en 1997, est traduit en français par ”sceau”. Il incite et invite à sentir la marque du sceau de la langue malgache en nous, pour qu’elle soit ”tandra vadin-koditra”, c’est-à-dire ”le grain de beauté qui épouse la peau”, qui ne s’enlève pas, qui est incrusté, bref qui fait partie de notre identité culturelle.
    Les membres en France
    Concernant la France, il faut savoir que l’Havatsa-Upem y a vu le jour le 14 Novembre 2004. L’association a été fondée par Razafimahatratra François Xavier alias F-X-Maha, actuel président. Les membres sont : Rakotomalala Eric alias Fredy Jaofera ; Salomon Andriamasinony alias Hanitr’Ony, petite-fille de Dox; Razakandrainibe Fabien Gaston alias Ny Kanto; Andrianaivomanjato Miora alias Andamioly; Randrianaivosoa Aina alias; Rabe Andriamanarivo Paoly alias DadaRabe; Toetra Raja; Salomon Andrianantoanina alias Andry Salomon et Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine. La présentation officielle des membres de l’association a eu lieu le samedi 30 Avril 2005 au FIAP Jean Monnet à Paris, sous le haut patronage de L’ambassadeur de Madagascar auprès de l’Unesco, Mme Yvette Rabetafika Ranjeva. Ainsi, ”Di”, actuel président actuel de l’Havatsa-Upem ou ”Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy” ou en français ”Union des Poètes et Ecrivains Malgaches” était à Paris pour deux ”missions”. D’abord, en ayant représenté Madagascar à travers les livres avec d’autres membres de l’Havatsa-Upem, à la Place Saint Sulpice pour ”Parfum de Madagascar”, ensuite pour présenter aux Malgaches et aux sympathisants de Madagascar la Section France de l’Havatsa-Upem”. Compte-rendu effectué hier dimanche donc.

 
.: Imprimer
09/05/05 - Jeannot R.

CREATION

 DE

 L'UNION DES POETES ET ECRIVAINS MALGACHES

 section France

 

L'association HAVATSA- UPEM a été fondée en 1952 par de grands poètes malgaches tels que RAJEMISA RAOLISON, Dox RAZAKANDRAINA, Ener LALANDY, Daud RATSARAZAKA, Odeam RAKOTO, Elie Charles ABRAHAM, Faustin RAHARISON...

Le but de l'association est de promouvoir la langue Malgache au-delà des limites géographiques de la Grande Ile, de réveiller ou d'entretenir l'amour de la langue malgache pour ceux qui le ressentent au fond d'eux-même, de promouvoir la culture et plus précisément la littérature Malgache pour qu'elle ait aussi sa place dans les échanges de par le monde, et enfin d'apporter une réponse à l'appel de ceux qui ont soif de savoir, de vivre et de partager la vie et les œuvres des poètes malgaches.

La section de France a été créée en 2004 par 3 membres : F-X. Mahah, Fredy JAOFERA et Hanitr'Ony ainsi que 7 autres poètes : Andamioly,
Aina, Lalatiana, Ny Kanto, Toetra RAJA, Andry Salomon et DadaRabe.
M.RAZAFIMAHATRATRA François Xavier (F-X.Mahah) en est le président

KABARIN'I FREDY JAOFERA TANY AMIN'NY RNS 2007

 ( Asabotsy 7 Avrily 2007 tany Vichy amin'ny 11 ora )

 
Tompokolahy sy Tompokovavy,
 
Sambatra raha samy sambatra hono ny eny Ambohimanga, manana an’Ambatomiantendro hitazatazanana sy manana an’Ifidasiana hitsangatsanganana; sambatra raha samy vohitra ny eny Ilafy fa manana ny aviavy hialokalofana; fa mba finaritra ihany koa isika Malagasy monina aty am-pitan-dranomasina fa mahay miray hina ka miatrika am-pifaliana indray izao fihaonana amin’ny lafiny Kolontsaina sy Fanatanjahantena na RNS 2007 izao.
 
Amin’ny fandaharam-pitenenana tahaka izao moa dia tsy maintsy seranina ny azafady fa sady fangatahan-dalana raha hiteny no fanomezam-boninahitra ho an’ireo hitenenana.
 
Koa na dia foy ho ahy aza ny hiteny ka nomena ahy ny handahatra dia sanatria amiko ny hanao fanahin’akoho, sodokan’ny atao mandrosoa ka hiantsampy eny am-pitoeran’entana. Tsia tompoko, manoloana ny haja amam-boninahitrareo dia miala tsiny aho, miala salohy fito fa tehin-dava manintsana avido mantsy ireny, sava ando manajary ny dia, sori-dohan’ny lalan-komban-kahatsangy.
Ny tambolimbolin-tadio mahaditsoka, ny tsingeringerin’ankizy mahafanina ary ny miambakavaka fandahatra mahamenatra.
Koa ialako ny tsiny tsy hahatratra ahy ary tsy hahavoa anareo itenenako. Ariantsika any an-davaky ny helo, ho hotohotoin’ny afo, ho zary lavenona  ka tsy hahita tany itoerana intsony.
Nefa fanalan’ny vava ihany ny tsiny….
Fa ny atao no antony: Manaova ny marina, efao ny adidy, aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon-doha… fa izany no tsy hananan-tsiny
 
Manaraka izany, anisan’ny zava-dehibe amin’ny fotoam-pifankahitan’ny ela tsy nifankahita toy izao ny fiarahabana. Koa noho izany dia am-piravoana feno no iarahabana antsika rehetra. Atao  tahaka ny arahaban-dRamasoandro ka manenika ny isam-baravarana, mitondra hafanana, mizara hazavana. Miarahaba manokana anareo Raiamandreny izay vovonana iadian’ny lohany, varivarina andrian’ny tafony, felatana-mangaika ny rantsana; miarahaba anareo tanora izay ao anatin’ny hery sy tanjaka: angady tsara hofana tsy mifidy tany hadiana, ombilahy be tandroka tsy mifidy tany hotrandrahina
 
Atolotra antsika rehetra tsy ankanavaka izany fiarahabana izany  fa zavarin’ny fitia manan-tombo ka satry hifampiarahaba.
 
Ary ny arahaba eo amintsika Malagasy dia ombana firariantsoa, koa hoy aho hoe: ho arivo hahatratra ny taona anie ianareo, ho mamy tian’ny vola, hangidy lavitry ny faty… Hitady hahita, hikatsaka hahazo…Hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny…Ho tojo ny sambatra sy ny mananjara…
 
 
Izany no ela, fa vory etoana isika mianakavy noho izao RNS 2007 izao. Efa fanao isan-taona izy ity saingy ny irariana dia hihatsara hatrany hatrany ary ny hahatrarantsika mandrakariva ny tanjona dia ny hampiray hina ny Malagasy rehetra monina aty am-pitan-dranomasina.
 
Anankiray aloha dia fankasitrahana feno no atolotra ireo niara-nitoto nahafotsy, nitanika nahampangotraka, nahandro nahamasaka, tamin’ny fandavorariana izao Hetsika fanao isan-taona izao. Isaorana Andriamanitra, isaorana ny rehetra nanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja, tanana miara-mandray ary saina niara-nihevitra teo amin’ny fandavorariana izao HETSIKA izao. Tantely tovon’anoka izay vitanareo Tompoko, ka sitra-kibo, telim-panahy.
 
Faharoa manaraka izany dia misy teny kely izay heverinay fa azo araraotina etoana ihany ny filazana izany dia ny fampahafantarana antsika fa efa mijoro ara-dalàna eto Frantsa ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy na Havàtsa-Upem Sampana Frantsa, notokanana tamin’ny 30 avrily 2005 Sampana tokoa satria ny Foibe dia any Madagasikara. Maromaro izahay no Mpikambana ao. Ny tanjonay moa dia miaro sy manondrotra ny Riba aman-kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny asasoratra. Koa raha misy olona manan-talenta dia hanao tahaka ny reniranon’i La Seine izahay : tonga namana ka ravoravo.
 
Ary ny fahatelo izay tiana hantitranterina dia ny hafatra. Matoa isika maneho izao firaisan-kina izao isan-taona dia te hampiseho amin’ny alalan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena fa miray hina ny Malagasy na dia aty an-tany lavitra an’I Madagasikara aty. Andeha hokosehintsika ilay sary hitan’ny sasany milaza fa mifampiavonavona ny samy Malagasy indrindra ny ao Parisy. Koa enga anie tsy amin’izao RNS izao ihany isika no hifampitafa sy hifampitsikitsiky iska fa isaka ny mifankahita sy isaka ny misy lanonana ifanotronana dia miara-paly eny hatrany isika. Ho toy ny zavozavo sy herika e, ka soa miara-mandina, ratsy miara-basoka; miara-dravo amin’ny masoandro mibaliaka, miara-mitondra ny mavesatra raha sendra izay raho-mitatao.
 
Hamaranana izao lahateny izao dia inty misy tantara kely mampieritreritra izay heverinay fa tsy handiso anay akory ny hilaza izany amin’ny maha olon’ny Teny sy ny Soratra anay. Toa te hilaza mantsy izahay ny tokony hahaizantsika mampihatra ny maha Malagasy antsika eo amin’izay atao, ilay fifanajana eo amin’ny rafitra an-tanan-tohatry ny fiaraha-monina ka ny olondehibe hijoro amin’ny maha izy azy, ny tanora hahay hankato sy hanaja, ny ankizy ho voabe araka ny fahendrena. Ka tsy ho lasan-ko vavany tahaka ny haron-tabebaka fotsiny izany fitandroana ny hasina maha Malagasy izany na ho lasan-ko bikany tahaka ny akoholahy fahavaratra, fa tena ampiharina.
 
Indray mandeha, hoy ity tantara kely iray efa tranainy iray, nifamotoana ny Mpianatra avy ao amin’ny Kolejy Paul Minault sy ny avy amin’ny Kolejy Ambohijatovo Avaratra fa hifanandrina ka hanao ady baolina kitra. Dia nodradradradraina fa hatao lalao am-pirahalahiana tokoa izy ity ka noredonina mafy ilay tononkiran’i Ny Avana RAMANANTOANINA manao hoe : “Dobodoboka fomban’amponga, tabataba an’ny maro kilonga, asakasakareo tsy mba tonga”. Tonga ny ora hanatanterahana ny lalao, vory maro ny mpijery, vonona ny mpilalao. Inona ny zava-nitranga hoy ianareo ? Ny baolina holalaovina indray no hadino. Dia nitsoka kiririoka ny Mpitsara hoe aleo hofoanana ny lalao.
 
Ny hevitra tiana hampitaina amin’izany dia izao : n’inona n’inona fahaizantsika sy hafanam-pontsika rehefa hiasa na hanao zavatra dia zava-poana ihany izany rehefa tsy atao lohalaharana ilay soatoavina maha malagasy ny Malagasy, ary indrindra ny fahendrena tsy hananan’izao tontolo izao fa antsika Malagasy irery.
 
Tompokolahy sy Tompokovavy,
 
Lava sahady ny lahatra ka sao dia ho very ny soa. Hamaranana izao fitenenanay izao dia manantitra ny firariantsoa. Isika Malagasy rehetra anie tsy ho vakivolo na oviana na oviana.
 
Misaotra indrindra Tompokolahy,
Mankasitraka feno Tompokovavy

Fampirantiana tao amin'ny Bibliothèque Nationale

PRINTEMPS DES POETES DES AFRIQUES ET D'AILLEURS

4ème édition
Appels à participation de tous poètes, slammeurs, conteurs, musiciens et artistes  malgaches

Manifestation culturelle d’ouverture du festival
Dimanche 4 mars 2007 de 15h à 22h  - Salle PATIO de la Mairie de Cachan
Organisée par l’Association des Amis des Echos du Capricorne

L’année dernière, lors de notre première participation au festival Printemps des poètes des Afriques et d’ailleurs, nous avons rendu un hommage à Jacques Rabemananjara, poète et homme d’Etat malgache, parrain du festival, décédé en 2005, et illustre représentant de notre communauté d’Andafy (« au-delà des mers »).
Pour  cette deuxième participation, nous voulons mettre en lumière les poètes malgaches vivants habitant ici à Andafy.
C’est ainsi que l’association des Amis des Echos du Capricorne lance un appel individuel à tous les poètes et leur propose une tribune lors de la soirée poétique du 4 mars, présentée dans un format radiophonique, dans une ambiance conviviale et en présence du public. Ont répondu à l’appel : Aina, Andamioly, Antsiva, Fx-Maha, Fredy Jaofera, Hanitrony, Raoul Rabemananjara, Francine Ranaivo.
S’inscrivant dans le thème de la manifestation nationale du festival « Printemps des poètes » (cette année : l’amour), nous proposons au grand public de découvrir les hainteny malgaches qui traitent de l’amour.
Le genre littéraire hainteny sera ainsi au coeur de cette manifestation : deux ateliers en parallèle sont proposés aux adultes, un atelier de création de hainteny dirigé par l’écrivain Raharimanana, et un atelier de traduction des hainteny. Les enfants ne seront pas oubliés : une sensibilisation à la poésie leur seront proposée par Thierry Sinda, président du festival. Une restitution des résultats de ces ateliers est prévue dans le programme de cette journée. L’utilisation des hainteny n’est pas la seule clé d’entrée pour cette manifestation ouverte à tous les poètes : un parloir libre des poètes malgaches, des Afriques et d’ailleurs est prévu dans l’après-midi.
Au cours de la soirée poétique, illustrée et ponctuée par de la musique, la relation entre hainteny et slam sera également présentée.
Ainsi, nous lançons un appel à tous les poètes, les slammeurs, les musiciens et les artistes en général, qui ont envie de nous rejoindre et participer à la réussite de cette aventure poétique.

Fandrotrarana amoron-dalana aho
Tsy mamingana anao mba ho lavo
Fa misakana anao mba hiresaka

Je suis le chiendent au bord de la route
Je n’arrête pas vos pieds pour vous jeter à terre
Je vous retiens pour que nous parlions
Hainteny, recueillies et traduites par Jean Paulhan - 1913

Coordinatrice de la manifestation culturelle du dimanche 4 mars 2007
Claudie Benoit : 06 62 67 68 31 claudie@echoscapricorne.org

MALAGASY POETS IN MOLSHEIM

                                                        


.

Malagasy poets in Molsheim

 

It was the first time that the Malagasy poets : F-X Mahah, Fredy JAOFERA and Andamioly had the opportunity to attend the 5th International festival of Art and Poetry of Molsheim. This time, it was not the festival of literature nor culture but very précisely of poetry. The first edition took place in 2000 in this very city; that is in Molsheim, a small municipality, situated in the department of the Bas-Rhin and the region Alsace. The Malagasy of Strasbourg and neighborhood came specially to see the festival. They appreciated it and uttered the wish that this event occurs from time to time. Several Alsatians were able to appreciate the Malagasy poetry by hearing simply the poetic rhythm without understanding the Malagasy language. The Union of the Poets and Malagasy Writers ( UPEM) was one of the guests of honor and had the privilege of frequenting other poets (French and Alsatian), to discover and know a little better the city. Among the delegation of the UPEM, a woman writer came to Molsheim, who is other one than Michele RAKOTOSON.

Except for poetry, other Malagasy artists also moved over there such as Jean A. RAVELONA, a famous great painter and Jonny R' AFA, a rising sculptor because it is also a festival of Art. Jean A.RAVELONA exposed his paintings and Jonny R' AFA showed one of  his realizations, the sculpture of a woman. The Festival was very successful. The poets and the invited Malagasy artists were well-welcomed and pleased with the festival….Festival which became unforgettable for the UPEM and myself.

 

EFJR

 

 

TAKARIVAN'NY 30 APRILY 2005 TAO AMIN'NY FIAP J.M.

Takarivan' antsatonokalo niaraka tamin'ny UPEM HAVATSA.
 
Noho ny fotoam-pialan-tsasatra ve? Sa noho ilay antsatononkalo tsy nandoavam-bola? Sa kosa ny malagasin’andafy no efa olon’ny fo, no, nahatonga ny tranoben’ny FIAP ho hipoka olona ny asabotsy hariva lasa teo?
 
 
 
  Takarivan' antsatonokalo niaraka tamin'ny UPEM HAVATSA.
Poeta, mpanoratra ary mpikabary Malagasy avy any an-tanindrazana sy eto Frantsa no niara-naneho ny aingam-panahiny teo anoloan’ireo gasin’andafy an-jatony maro .

Tsy ho hary voatanisa eto avokoa ny anaran’ireo mpanankanto ireo fa niisa ho dimy ambin’ny folo (15) izy ireo no niakatra an-dapihazo ary nandrotsirotsy ireo mpanotrona (ndlr: lasa vinany sy lasam-borona).

Efa tsindrindaona angamba ianareo te-haka sary an’eritreritra ny endrik’io antsatononkalo nototosaina teto Parisy io, koa indro atolotry ny ekipan’ny madamaki.com ho anareo ny santionan-tsary nalaina tamin’io fotoana io.

 
 
 

LAHATENIN'I FREDY JAOFERA

Lahatenin'i Fredy JAOFERA tamin'ny fahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny nahamay ny lapan'i Manjakamiadana tao amin'ny FIAP Jean Monnet ny Asabotsy 5 Novambra 2005

Andriamatoa Masoivohon'i Madagasikara,
Ramatoa Masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO,
Ny komity miahy ny harem-pirenena,
Andriamatoa filohan'ny MALAGASY MIFAMELONA,
Andriamatoa filohan'ny MAMELOMASO,
Tompokolahy sy tompokovavy hajaina,

Fialan-tsiny no voalohan-teny satria tsy ny tenanay no tokony hitondra ny fitenenana saingy amin'ny maha-tsy eo ny filoha fa miatrika ny herinandron'ny Havatsa any Antananarivo dia raisiko ho adidy izany.

Voninahitra ho anay Havatsa-Upem na ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches sampana Frantsa no mandray anjara amin'ity hetsika nokarakarain'ny MALAGASY MIFAMELONA sy ny MAMELOMASO ity amin'izao fahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny nahamay ny rovan'i Manjakamiadana izao : fahatsiarovana izay mbola tsy maty ao am-pon'ny Malagasy tsirairay avy ; fahatsiarovana fa antsika iny lapa may iny.Ny UPEM dia efa 53 taona no nisy ary tamin'ny herintaona no nitsangana ny sampana Frantsa hampiroboroboana ombieny ny fitiavana ny tenindrazana sy hanome tsiro an'ireo Malagasy tsy mahay miteny malagasy fa kanto ny teny malagasy.

Misy tanjona iraisana amin'ireto fikambanana mpanomana ireto satria fantatra fa ny fiarovana sy ny famelomana ny vakoka malagasy no imasoany.Ny fiahiana ny rova sy ny fiarovana azy ary ho fitandroana ireo rova malagasy mbola mijoro isan'ny Patrimoine mondial de l'UNESCO no anaovana izao hetsika izao hanentanana antsika ho tia sy saro-piaro amin'ny antsika ary hiezaka hatrany hanandratra izany.Eo amin'ny sehatry ny teny no andraisanay toerana amin'izany asa masina izany.Ny teny malagasy izay rohy mampitohy antsika amin'ny tanindrazana.Ho antsika aty an-tany lavitra,izany teny izany no hikaloanay aminareo anio : Ny vetso mifandray amin'izay nahamay ny lapan'i Manjakamiadana.

Fisaorana eram-po eran-saina no atolotray ho an'ireo mpikarakara ny fahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny nahamay ny lapan'i Manjakamiadana fantatry ny maro amin'ny hoe : Palais de la Reine.

Mirary takariva feno fahombiazana ho anareo izahay ato amin'ny Havatsa-Upem sampana Frantsa.

Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy

Fredy JAOFERA
Filoha lefitry ny Havatsa-Upem sampana Frantsa


FREDY JAOFERA A L'INALCO


La Section d'Études malgaches des Langues'O
organise une conférence sur le thème :

Littérature et poètes malgaches d'hier et d'aujourd'hui

Invité :

 le poète Fredy JAOFERA
Vice-Président de l'Union des Poètes et Écrivains Malgaches 
section France

Auteur de :

-  Teny roa, 2007

-  Nosy mamiko, 2007

-  Ny ranomasoko, 2007

le mercredi 20 février 2007 à 10h, salle 9, Inalco, centre Riquet (10, rue Riquet 75019)

(Ligne 7, métro Riquet)
Entrée libre (places limitées).

À la fin de la conférence vous êtes cordialement invités au pot de l'amitié de la nouvelle année.


 

HAVATSA-UPEM

55 TAONA

 

lundi 16 juillet 2007

Havatsa Upem-55 taona. Homarihina amin'ny fomba manetriketrika 6 septambra 1952. Io no daty lehibe niorenana ny fikambanan'ny poety Havatsa Upem izay mankalaza ny faha-55 taonany.

Ho fahatsiarovana io daty io dia ny 8 septambra (izay akaikin'ny 8 septambra) no hanamarihana amin'ny fomba manetrikeketrika ny jobily etsy amin'ny "Cercle Franco Malagasy", Anosy. Fihaonan'ireo mpikambana zokiolona sy zandry olona ny fotoana izay nampitondraina ny lohahevitra hoe "Andron'ny poety" izay nanoloana ny "Alin'ny poety" fanao isaky ny faran'ny volana oktobra.

Mandritry ny fotoana no hanolorana ny mari-boninahitra ireo mpikambana sy ny "salotra hasina" ka amin'ny maha-fotoana miavaka azy dia hibahan-toerana ny hira, dihy, fiaraha-misakafo.

Havatsa Upem Frantsa Mbola anatin'izay fankalazana izay dia mihetsika koa ny sampana Havatsa Upem Frantsa tarihin-dRazafimahatratra François Xavier". Nisy ny fampisehoana izay notanterahiny ny 6 jolay tao Fiap, Parisy nanomboka tamin'ny 9 ora alina, izay nampitondraina ny lohateny hoe "Sombin-dova".

Fiantsana ny tononkalon-dRabearivelo no nibahan-toerana araka ny fijerin'i Abel Andriarimalala raha noravahan'i Joelle Ramanantoanina, Hery Ramandiamanana sy Sorajavona hira. Farany dia nanasongadina ny "Iray volan'ny teny malagasy" koa ny Havatsa Upem Frantsa ka nanamarihany izany ny namoahan'Atoa Fredy Jaofera amboaran-tononkalo efatra mitondra ny lohateny hoe "Teny roa", "Nosy mamiko", "Ny ranomasoko", "Fiainana".

R.Suzy

Gazetiko/wanadoo.mg du 16-07-07


DIMY TAONA

 

                                                                            

Guestbook