FREDY JAOFERA

Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France

 

DATY TSY AZO HADINOINA

 

 

 

Avrily 1962   : Taona nahaterahan'i Fredy JAOFERA
 
 
25 Desambra 1965 : Fahafatesan-dreniny tao Paris
 
 
15 Novambra 1974   : Daty nanoratany ny tononkalony voalohany hoe : SAMBATRA IANAREO tao amin'ny Parc et Ateliers des Travaux Publics tao Alarobia Amboniloha.
 
 
1981- 2000 : Mpianatra sy Mpampianatra anglisy tao amin'ny Sekoly Institution Sainte Famille i Fredy JAOFERA. Isaky ny tonga ny fetin'ny sekoly dia mandray anjara tamin'ny tononkalo hatrany i Fredy JAOFERA.
 
 
08 Mey 1983    :  Fahafatesan-drainy tao Antananarivo
 
 
31 Marsa 1984  : Nivoaka tao amin'ny gazety MATIN ny tononkalo hoe : RY DADA
 
 
26 Mey 1984     : Nivoaka tao amin'ny gazety ATRIKA ny tononkalo hoe : SAMBATRA IANAREO
 
 
03 Desambra 1984 : Antsa tononkalo nataon'ireo nanompo firenena tany Antsirabe tao amin'ny FARIMBONA, trano fanaovam-pety eo afovoan-tanànan'Antsirabe niandrakaitan'ny poety Fredy JAOFERA sy RANARIVOLA Andriambalo (Andry) ary ny nanama rehetra nanompo firenena.Tsy nisy vidim-pidirana fa rakitra no notatazana. Feno hiboka ny trano fanaovam-pety.
 
 
25 Janoary 1985 : Nivoaka tao amin'ny gazety MIDI ny tononkalo hoe : TENY ROA
 

 
1991   : Analakely -   Moramanga - Manjakandriana - Taomasina ....
 
 
24 Febroary 1991 : Tafiditra tao amin'ny Faribolana SANDRATRA
 
 
24 Avrily 1992   : Fihaonana tamin'ny poety Jacques RABEMANANJARA teny amin'ny Oniversite Antananarivo tao amin'ny GRAND AMPHITEATRE DE L'E.E.S.D.E.G.S.
 
 
25 Septambra 1992 : Tafiditra tao amin'ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches na ny HAVATSA
 
 
18 Novambra 1992 :  Antsa tononkalo niarahan'i Fredy JAOFERA tamin'ireo mpanoratra namany ao amin'ny Faribolana SANDRATRA tao amin'ny Cercle Germano-Malagasy. Nalaina televizionina, ry zareo, ary hita soa aman-tsara tamin'ny fahita lavitra ny hariva.
 
 
26 Marsa 1993 :    Fandaharana SALANITRA notontosain'i Louis Bernard RAKOTOMANGA tao amin'ny televizionina malagasy tamin'ny fito ora hariva ka nanasany ny poety Jeannot RATSIMBAZAFY sy Fredy JAOFERA.
 
 
10 Desambra 1993 : Niaraka tamin'ireo mpianatry ny Sekoly AMBOHIJATOVO AVARATRA ny poety R.H.A. Nary, ARIKAOMISA, ary Fredy JAOFERA notarihan-dRamatoa Esther RANDRIAMAMONJY. Nanao famelabelarana mikasika ny tononkalo izy ireo tamin'izany no niantsa tononkalo ihany koa.
 
 
1994 : Nivoaka ny bokin'ny HAVATSA hoe : VELONA HO VELONA  NY TENY SY HAISORATRA MALAGASY. Ahitana ny tononkalon'i Fredy JAOFERA io boky io.
 
 
2 Febroary 1994 : Nivoaka tao amin'ny gazety MIDI ny tononkalo hoe : AMIKO NY RENY
 
 
12 Aogositra 1994 : Fankalazana an'i Fredy RAJAOFERA ka nahitana an'i Fredy JAOFERA tao amin'ny televizionina niantsa ny tononkalon'ny raibeny hoe : LAVITRY NY MASO VAO MAINKA AKAIKY NY FO
 
 
14 Septambra 1994 : Nambaran'ny MIDI fa nivoaka ny bokin'i Fredy JAOFERA hoe : NY HAFATRO.
 
 
Oktobra 1994 : Nolazain'ny revio MPANOLOTSAINA ny kabary sy ny tononkalo nataon'ny poety tanora toy an-dry Ediama, Nary, Arikaomisa ary Fredy JAOFERA tamin'ny fitetezana sekoly sy fiangonana izay notarihan-dRamatoa Esther RANDRIAMAMONJY : Lycée Andohalo / Complexe Scolaire Ampefiloha / Kolejy Teolojika Ivato / Fiangonana Ambohipo / Fiangonana Isotry Fitiavana / Faculté de Théologie Ambatonakanga-Fiangonana.
 
 
1995  : Nivoaka ny bokin'ny HAVATSA hoe : NY RENIKO NY TENIKO. Ahitana ny tononkalon'i Fredy JAOFERA io boky io.
 
 
Mey 1995 : Hita tao amin'ny gazety ara-pilazantsara NY SAKAIZAN'NY TANORA, lahatsoratra iray milaza fa i Fredy JAOFERA no hany tamingana manohy ny zava-bitan'i Fredy RAJAOFERA
 
 
Jona 1995 : Nivoaka tao amin'ny gazety NY MPAMANGY ny tononkalo hoe : MALAGASY VE IANAO ?
 
 
1998  Fiovana Biraon'ny HAVATSA. Tonga Mpitan-tsorahatra voalohany i Fredy JAOFERA
 
 
22 Janoary 2000  : Nivoaka tao amin'ny GAZETIKO ny tononkalo hoe : VAVAKA MANGINA
 
 
29 Janoary 2005 : Tonga Filoha Lefitry ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France i Fredy JAOFERA
 
 
05 Marsa 2006 : Antsa tononkalo nahatsiarovana an'i J.RABEMANANJARA ka nandraisan'ny Havatsa-Upem anjara tao Cachan. Ireto no nisolo tena ny  Fikambanana : FX Mahah, Fredy JAOFERA, Hanitr'Ony, Andamioly ary Bana RAHALAHY. Nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa Ambasadaoro RANJEVA Yvette RABETAFIKA.   ( Printemps des Poètes)


06 Marsa 2006 :  Adihevitra sy antsa tononkalo momba ny " Poésie de la négritude" natao tao amin'ny Théatre Lucernaire ( 53, rue Notre Dame des Champs) ka nandraisan'i Fredy JAOFERA anjara. Ireto no poety niaraka taminy tamin'izany :   Henri Kala Lobe, Lima Fabien, Francine Ranaivo ary Thierry SINDA.     ( Printemps des Poètes)



05 Avrily 2006 : Nanatrika ny hoe : " Les écrivains francophones à l'honneur " i Fredy JAOFERA tao amin'ny Mairie 11è ka tafahaona sy nidinidinika tamin'ireto mpanoratra ireto : Hélé Béji ( Tunisie), M'Barek Ould Barouk ( Mauritanie ) , Lambert Schlechter ( Luxembourg), Bernard Lefort ( France) ary Maria Maïlat ( Hongrie-Roumanie)



23 Septambra 2006 :  Fankalazana an'i Dox tao amin'ny FIAP izay nokarakarain'ny fianakaviany. Nandray anjara ny Havatsa-Upem sampana Frantsa ary isan'ny mpiantsa tamin'io fotoana io i Fredy JAOFERA.



04 Novambra 2006 :   Voka-dehiben'ny Fiangonana  FPMA Port-Royal Arago tao amin'ny 13, Place Etienne Pernet ( métro Félix Faure ). Fiaraha-misakafo, hirahira, dihy, tononkalo no lanonana tamin'izany. Nandray anjara tamin'ny tononkalo i Fredy JAOFERA.



27 Janoary 2007 : Tonga Mpitoriteny Nasionaly amin'ny FPMA



24 Marsa 2007 :  Fahatsiarovana ireo poety fito lahy tao amin'ny FIAP  : RADO /  Samuel RATANY / Randja ZANAMIHOATRA / Jean Joseph RABEARIVELO / Fredy RAJAOFERA / Ny Avana RAMANANTOANINA izay nokarakarain'ny " Village Andamioly" ary niarahany tamin'ny Havatsa-Upem Frantsa. Fredy JAOFERA no niantsa ny tononkalon'ny raibeny Fredy RAJAOFERA hoe : Kalon'ny ntaolo sy Haitraitra sa an-kaso.



14 Avrily 2007  :  HETSIKA RADO tao amin'ny FIAP nandraisan'ny artista malagasy maro anjara ka nahitana ihany koa ny HAVATSA. Ny tononkalon'i Rado hoe : " Mitsikia " no nataon'i Fredy JAOFERA.



30 Mey 2007 : Nivoaka ny bokin'i Fredy JAOFERA mitondra ny lohateny hoe : TENY ROA



26 Jona 2007 : Nivoaka ny bokiny hoe : NOSY MAMIKO



02 Jolay 2007 : Nivoaka ny bokiny hoe : NY RANOMASOKO



06 Jolay 2007 : Antsa JJ RABEARIVELO tao amin'ny FIAP nokarakarain'ny Havatsa-Upem Frantsa sy fikambanana hafa. MISY ERITRERITRA no tononkalon-dRABEARIVELO nandraisan'i Fredy JAOFERA anjara tamin'izany.



06 Septambra 2007 : Nivoaka ny bokiny hoe : FIAINANA



14 Desambra 2007 :   Antsa JJ RABEARIVELO tamin'ny teny frantsay nokarakarain'ny Havatsa-Upem tany amin'ny Rueil Malmaison. RICKY no mpanakanto sy vahiny nasaina. Ny tononkalon-dRABEARIVELO hoe : " Filao " no nantsain'i Fredy JAOFERA tamin'io fotoana io.


 

 

DATY HATRANY !...

 Zoma 04 Febroary 2005


Naka feo an'i Fredy JAOFERA tao an-tokantranony ny Radio Echos du Capricorne ( Paris) tamin'ny Alatsinainy 31 Janoary 2005 tamin'ny telo ora tolakandro. Ramatoa Claudia Solofolandy, mpanao fandaharana ao amin'ny Zooma Capricorne no niresadresaka taminy mikasika ny asa sorany sy ny momba azy ary ny fikambanana. Re tao amin'ny Zooma Capricorne izany resadresaka izany ny Zoma 04 Febroary 2005 tamin'ny enina ora maraina.


Alahady 06 Febroary 2005


Tononkalon'i Fredy JAOFERA no novakina tao amin'ny Radio Feon'Imerina ( Antananarivo)  tamin'ny valo ora alina.



Alarobia 20 Febroary 2008


Vahin'ny INALCO ( 10, rue Riquet) i Fredy JAOFERA ka nanao famelabelarana mikasika ny literatiora malagasy nanomboka tamin'i Fredy RAJAOFERA ka hatramin'i Fredy JAOFERA nahavoaka boky. Fahombiazana tanteraka ny fotoana.( Institut National des Langues et Civilisations Orientales)

 

 

 

MADA

 

 

 

Avril/ Mai 2007    :  Ny MADA n° 3 dia namoaka lahatsoratra mikasika an’i Fredy JAOFERA amin’ny teny frantsay ao amin’ny pejy 18 sy 19 mitondra ny lohateny hoe :

Fredy Jaofera : Poète lyrique par excellence.

 

 

 

Novambra/ Desambra 2007   :  Ny MADA n° 6 dia namoaka lahatsoratra milaza fa mivoaka ny bokin’i Fredy JAOFERA telo hoe : TENY ROA, NOSY MAMIKO ary NY RANOMASOKO ao amin’ny pejy 20.

 

 

 

Febroary/ Marsa 2008           :   Ny MADA n°7 ao amin’ny pejy 33 dia mamoaka ny boky vaovaon’i Fredy JAOFERA mitondra ny lohateny hoe : FIAINANA.

RNM

 
RADIO
RNM
 
 
Talata 22 Jolay 2008
 
 
Vahin'ny Radio RNM i Fredy JAOFERA tao amin'ny fandaharana KIDAONA MARAINA. Ny resadresaka re tamin'io fotoana io dia mikasika ny teny malagasy any am-pita, ny fikambanana misy azy ary ny talentany. Io fandaharana io dia notontosain'Andriamatoa Hery VALISOA

MOLSHEIM 2008







Fredy JAOFERA sy Jean-Pierre FAYE, Poety sy Mpanoratra





Fredy JAOFERA sy Bernard RIEBEL, Mpanoratra




Ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy ( UPEM ) sampana Frantsa dia nasaina tamin'ny 5è Festival International d'Art et de Poésie natao tany Molsheim ny Asabotsy 27 sy Alahady 28 Septambra 2008 tao amin'ny Hotel de la Monnaie.

KABARY : TOULOUSE, Asabotsy 3 Oktobra 2009

                  

Tao anatin'ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan'ny Fiangonana FPMA Toulouse dia voaasa tany Toulouse i Fredy JAOFERA sy Andamioly hanao SORATONONINA, famelabelarana momba ny KABARY ary kabary am-panambadiana tamin'ny Asabotsy 3 Oktobra 2009. Fankasitrahana sy fahombiazana no azon'izy dahy tanteraka.