FREDY JAOFERA

Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France

 

NY BOKY AHITANA NY TONONKALON'I
FREDY JAOFERA



1992  :        IZAY MIAFINA AO  (Sandratra)
 
1993  :        VELONA HO VELONA NY TENY SY HAISORATRA MALAGASY (Upem)
 
1995  :       NY RENIKO,  NY TENIKO (Upem)
 
                  SANTA-BARY (Upem)
 
1996 :       TSETSATSETSA TSY ARITRA  (Sandratra)
 
1997 :       TENY ROA  (Felan-tatamo UPEM )
 
2005 :       SANTA-BOKATRA  (Upem France)

BOKY VOALOHANY

 

Ity no boky voalohan'i Fredy JAOFERA izay nampitondrainy ny lohateny hoe : TENY ROA. Inona àry ireo "teny roa" tian'ny mpanoratra ambara ireo ? Tsy inona akory izany fa ny hoe : " TIAKO IANAO ". Araka izany dia tononkalom-pitiavana no ho hitanao amin'ity boky ity. Tsy fitiavan'olon-droa ihany anefa fa fitiavana maro karazany toy ny fitiavana an' Andriamanitra, ny fitiavana ny tanindrazana, ny fitiavana ny ray aman-dreny, ny fitiavana ny zavaboaary sy ny sisa....Vakio dia ho fantatrao ny aingam-panahin'i Fredy JAOFERA. Misaotra tompoko !

BOKY FAHAROA

Fredy JAOFERA dia poety mitolona. Isan'ireo poety niaina sy nandray anjara tamin'ireny fihetsiketseham-bahoaka nidona tamin'ny firenena ireny izy ka tsy nangina velively  nanoloana izany fa nanana ny aingam-panahiny tokoa. Ity ny bokiny faharoa izay nomeny ny lohateny hoe : NOSY MAMIKO. Tononkalo voasoratra betsaka nandritra ny tolom-bahoaka no ato ; tononkalo maneho fitiavan-tanindrazana ary tononkalo maneho koa fitiavana ny vahoaka malagasy. Tsy izany ihany anefa no ato fa manasa anao hamaky azy dia ho fantatrao. Misaotra, tompoko !

BOKY FAHATELO

BOKY FAHATELO

Hoy i Fredy JAOFERA indray mandeha izay : " Ny tononkalo tiako indrindra sy ny tsara indrindra amin'ny diam-peniko dia tsy ny tononkalo voasoratra tao anatin'ny fifaliana sy ny fahasambarana fa ny tononkalo voasoratra tao anatin'ny ranomaso, ny alahelo, ny ratra, ny tebiteby, ny adin-tsaina, ny sedra, ny fijaliana, ny fahoriana, ny fahadisoam-panantenana ary ny tsy fisiana."  Ity ny boky fahatelo hoe : NY RANOMASOKO. Ho taratrao ato ny ranomason'ilay poety ary ho hitanao ato ny tononkalony tiany indrindra. Misaotra, tompoko !

BOKY FAHEFATRA

 

Ity no boky fahefatra navoakan'i Fredy JAOFERA. FIAINANA no lohateniny. Izay zava-drehetra nianjady teo amin'ny fiainana dia tsy natao mahakivy fa fiainana izany ; izay zava-nanjavona na niova dia tsy natao mahory fa fiainana izany . Ny zava-drehetra dia manana ny lafiny tsara sy ratsy hatrany. Eny, fa na ny fijaliana aza dia manana ny lafiny tsara ! Soa fa nisy ny fahoriana namboaboatra mandrakariva sy nanefitefy ombieny. Manasa anao aho hamaky ity boky ity. Misaotra tompoko !

BOKY FAHADIMY

Nisy fotoana izay toa ALINA sy maizim-pito foana ny fiainana. Na izany aza anefa dia soa fa nisy DIAVOLANA nanazava ny alina. Indro ny boky fahadimy mitondra ny lohateny hoe : DIAVOLANA. Vakio dia ho fantatrao izany.

MIRAZOTRA

 

                                                                                                              

MIRAZOTRA no boky faharoa navoakan'ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa