|
FANTARO I FREDY JAOFERA
Mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpanoratra HAVATSA izy ary niditra tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny 24 Febroary 1991.Monina any am-pita izy izao ary Filoha lefitry ny Fikambanan'ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa. ...Izay no Fredy JAOFERA atao indray mijery.
Ho làlana rakotra pika,
Ho andro feno hasambarana
Ho tanteraka ireo faniriana,
Ho tody ilay fahombiazana,
Ho mamy tsy mbola voabara,
Ho tany hahasoa sesehena,
Fredy JAOFERA
|
Iza no olona tsy tia ny tenindrazany ? Iza no Malagasy tsy tia miteny malagasy ? Aza mba manao toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza, tsy tia azy ! Masina ny tenindrazantsika ka tokony ho mavesa-danja ao amin'ny Malagasy rehetra ny fitiavana azy ; tokony ho laharam-pahamehana ao amintsika tsirairay avy ny fahaizana azy, na aiza na aiza tany iainantsika.Nisafidy niala an'i Madagasikara izay Malagasy tafavoaka hikatsaka fiainana tsaratsara kokoa sy ho ambasadaoro eran'izao tontolo izao fa misy Madagasikara ary misy koa ny teny malagasy. Isika no tokony ho voalohany hampahafantatra amin'ny vahiny isan-karazany ifaneraserantsika fa manana ny tenindrazantsika isika ary tsy menatra manana azy na mampiasa azy rehefa any an-trano, any amin'ny fianakaviana ary rehefa miaraka amin'ny samy malagasy.Aza manao hoe "Niova andriana, niova sata" na ny marimarina kokoa hoe : Niova tany, niova teny !...Isika aty an-dafy no fitaratry ny tanintsika sy ny tenindrazantsika ka tokony hanana hazon-damosina ombieny manoloana ny firenena maro fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny teny malagasy. Mampalahelo anefa fa arakaraka ny nisafidianan'ny Malagasy hipetraka aty an-dafy dia nirefarefa ny teny malagasy. Nihena toy ny fen'antitra sy nidina toy ny rambon'omby ny fahaizan'ny Malagasy miteny malagasy noho ny fahadisoam-pisainana sy fahadisoam-pijery fa tsy mariky ny fivoarana sy sarin'ny fahombiazana eo amin'ny fiainana ny teny malagasy. Tontolo iainana vahiny sy fiaraha-monina tsy miteny malagasy tokoa no atrehany isan'andro any am-pianarana sy any am-piasana hany ka hamaivamaivanina sy tsy raharahina intsony ary tsy hajaina intsony ny tenindrazantsika.Mahamenatra mahita Malagasy mieboebo amin'ny teny vahiny fa tsy mahay mirehareha amin'ny tenindrazany ; mahaketraka mandre Malagasy manambonibony ny tenin'ny hafa fa manamaivamaivana ny an'ny tenany ! Mahakivy kanefa izay no zava-misy aty an-dafy rehefa "tafita ny Malagasy" na lasa ambony. Izany dia tsy midika velively fa aza ianarana ny teny vahiny ! Nosy isika ka tokony hahay hifandray amin'ny firenena rehetra sy ny olona rehetra te hifandray amin'i Madagasikara. Ilaina ny teny vahiny fa tsy atao ambanin-javatra ny fahaizana ny tenindrazana. Izay tia ny teniny, tia ny taniny ; izay tia ny taniny, tia hoe Malagasy izy. Ampiasao ny tenindrazanao n'aiza n'aiza misy anao tahaka ireo ataon'ny firenena maro. Aza menatra ary aza matahotra fa fitaritr'i Madagasikara ianao sy ny fisian'ny teny malagasy. Ho ela velona anie ny teny malagasy !
Fredy JAOFERA | ||
|
Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France
Qui est l’Association ?
"Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. " Di... 1993
Rahaingoson Henri dit Di de son nom d’auteur est le Président actuel de l’HAVATSA - UPEM ou Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy ou encore Union des Poètes et Ecrivains Malgaches. L’ UPEM a vu le jour le 06 Septembre 1952, par l’initiative de 15 membres, dont Régis RAJEMISA RAOLISON, Elie Charles ABRAHAM, Daud RATSARAZAKA, NIVO-HARY, Flavien RANAIVO, DOX, Ener LALANDY, Pénombre ANDRIAMPENOMANANA, RAZAFINDRATRE Jean Louis, Odeam RAKOTO, Pierre Janvier ABRAHAM, Michel Guste RAKOTONIRINA, Raymond ABRAHAM, RAHARISON Faustin, Michel Paul ABRAHAM, le seul survivant car Ener Lalandy nous a quittés récemment. Cette union a été révélée par l’amour de la langue Malgache, ainsi que de lui rendre sa dignité, pour une éducation de l’être et de l’âme, sans aucun doute à travers la littérature. Conférences, montages poétiques, émissions radiophoniques, expositions littéraires, visites sous forme de conférence-débat dans les écoles par des écrivains et poètes illustres font partie intégrante du programme de l’UPEM, ainsi que les communications permanentes au niveau de l’Académie Malgache. Le terme HAVATSA, associé à l’ UPEM, depuis le quarante cinquième anniversaire de l’association en 1997, qui est traduit en français par " sceau ", nous incite et nous invite à sentir la marque de sceau de la langue malgache en nous, pour qu’elle soit " tandra vadin-koditra " ou le grain de beauté qui épouse la peau, qui ne s’enlève pas, qui est incrusté, qui fait partie de notre identité culturelle. Et l’HAVATSA-UPEM a vu le jour en France le 14 Novembre 2004, fondée par F-X-Mahah (Razafimahatratra François Xavier), son président ; Fredy Jaofera (Rakotomalala Eric) ; Hanitr’ony (Salomon Andriamasinony) ; Ny Kanto (Razakandrainibe Fabien Gaston) ; Andamioly (Andrianaivomanjato Miora) ; Aina (Randrianaivosoa Aina) ; DadaRabe (Rabe Andriamanarivo Paoly) ; Toetra RAJA, Andry Salomon (Salomon Andrianantoanina) ; Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine. Et c’est pour la même cause, la langue malgache, cette langue maternelle, et paternelle aussi parfois. Les membres actuels :
Havatsa-Upem Frantsa
Santionany amin’ireo mpikambana |
|
FREDY JAOFERA
Fredy JAOFERA na RAKOTOMALALA Eric Fredy Jaofera dia teraka tamin'ny 1962 tao Antananarivo ary zanak'Itompokolahy Eugène L.RAKOTOMALALA sy Itompokovavy Elise RAJAOFERA. |
| ||||||